Nifamotoana teny anaty rova ny andriana 7 reny eo amivon’ny lerina enina toko lba hanao fanompoam-pivavahava ho fiderana an’Andriamanitra hahatontosa ny fampihavanana. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Filoha Legitra eo anivon’ny CST, Me Hanitriniaina RAZAFIMANANTSOA niarakatamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Teny an-toeranna ihany koa ireo ampanjaka sy zanaka mpanjaka avy amin’ny Faritra. Nampifandrifiana ny daty farana nisian’ny fandroan’ny mpanjaka dia ny 22 Novambra ny fanompoam-pivavahana izay natao. Nanatitrantitra ny mpitandrina izay nitondra ny tenin’Andriamanitra fa fepetra ilaina hisehoana eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ny fahadiovana. Ny tsy fahatanterahan’ny olombelona eo imason’Andriamaitra no anton’ireo fandaharam-pidiovana samihafa ao anatin’y Baiboly. Mampirindra ny fiaraha-monina ny fitoerana ho madio eo min’ny lafiny rehetra.
Taorian’izay dia nisy ny hafatra nampitain’ireto taranak’andriana 7 reny eo anivon’Imerina eni-toko ireto. Soatoavina Malagasy ny famitranana fihavanana. Aoka hatomboka amin’izao 22 Novambra izao io dingana io.
Nisy ny valandresaka nataon’i Rtoa Louisete Raharimalala mikasika ny fiampangana nataon’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Tafika azy mikasika ny raharaha tandroka. Nisy ny fijoroana vavolombelona an-tsoratra sy nivantana tamin’izay fampijaliana nahazo ny vahoaka. Nisy ny resaka nifanaovana tamin’ny Filoha Zafy Albert. Nilaza izy fa tsy manjasitraka izaofitondrana maloto izao ny tenany. Mitaky ny tetezamita madio sy vaovao ny tenany. Tsy handray anjara ary tsy manana kandidà filoham-pirenena 2013 ny Ankolafiny.
Tsy nisakana ny mpitaky ny fahatongavan’ny Filoha an-tanindrazana ny orana nikija ny zoma teo. Niantso ny FFKM handray anjara feno amin’ny famaranana ny krizy ny nandahateny teny an-toerana.





















